Jeremiah 28:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe:
malagasy
[Ny faminanian'i Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy] Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: