Jeremiah 28:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hoy i Hananià teo imason’ny vahoaka rehetra teo: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Alohan’ny roa taona androany, dia hopotehiko tahaka izao ny ziogam-pamoretana angejan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny firenena rehetra.› » Dia lasa nandeha tamin’ny diany i Jeremià mpaminany.
Malagasy Bible 1865
Ary Hanania niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.
malagasy