Jeremiah 28:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Zioga vy no nataoko tamin’ny vozon’ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka hanompo azy izy; eny, na dia ny bibidia aza dia nomeko azy koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Asio jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an’i Nabokodonozora, ka dia hanaiky azy izy ireo efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sady nampian’i Jeremià hoe: –Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Zioga vy no apetrako eny an-tsoroky ny firenena rehetra amin’ity faritany ity, ka hanompo an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy; eny, na dia ny bibidia aza dia hampanekeko azy koa.»
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Zioga vy no nataoko tamin’ny vozon’ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka hanompo azy izy; eny, na dia ny bibidia aza dia nomeko azy koa.
malagasy