Jeremiah 28:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa ao anatin’ny roa taona no hampodiko ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO, izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, avy tato amin’ity tanàna ity ka noentiny ho any Babilona;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.
Malagasy Bible 1865
ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa ao anatin’ny roa taona no hampodiko ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO, izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, avy tato amin’ity tanàna ity ka noentiny ho any Babilona;
malagasy