Jeremiah 28:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babilona, dia hampodiko ho amin’ity tanàna ity, hoy NY TOMPO; fa hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, - teny marin’i Iaveh, - fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».
Malagasy Bible 1865
ary Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babilona, dia hampodiko ho amin’ity tanàna ity, hoy NY TOMPO; fa hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona.
malagasy