Jeremiah 28:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny! Amena! Hoy Jeremia mpaminany; hataon’NY TOMPO anie izany! Hotanterahin’NY TOMPO anie ny teninao izay nolazainao ny amin’ny hampodina ny fanaky ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny babo rehetra hiala any Babilona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy i Jeremia mpaminany: «Amen! Hataon’i Iaveh anie izany! Hotanterahin’i Iaveh anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh mbamin’ny babo rehetra, ho amin’ity fitoerana ity indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao hoe: –Eny, enga tokoa anie mba ho araka izay nolazainao no hataon’ny TOMPO! Hotanterahiny anie izay nambaranao ka haveriny avy any Babilôna hanketo indray ireo fanaka rehetra tao an-tranon’ny TOMPO miaraka amin’ny babo rehetra!
Malagasy Bible 1865
Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny! Amena*! Hoy Jeremia mpaminany; hataon’NY TOMPO anie izany! Hotanterahin’NY TOMPO anie ny teninao izay nolazainao ny amin’ny hampodina ny fanaky ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny babo rehetra hiala any Babilona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray.
malagasy
Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.