Jeremiah 29:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no tao anatin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona ary ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra izay nobaboin’i Nebokadnezara ka noentiny avy tany Jerosalema ho any Babilona,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no teny voasoratra ao amin’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia mpaminany, avy any Jerosalema, ho any amin’ireo sisan’ny loholona voababo, ho an’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra, nentin’i Nabokodonozora avy any Jerosalema ho any Babilôna;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io
Malagasy Bible 1865
Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no tao anatin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona ary ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra izay nobaboin’i Nebokadnezara ka noentiny avy tany Jerosalema ho any Babilona,
malagasy
[Taratasy nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona