Jeremiah 29:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tapitra ny fitopolo taona ny amin’i Babilona dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teny tsara nataoko ka hampodiko ho amin’ity tany ity ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tapitra ny fitopolo taona ny amin’i Babilona dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teny tsara nataoko ka hampodiko ho amin’ity tany ity ianareo.
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo.