Jeremiah 29:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitady Ahy ianareo, dia hahita Ahy, satria hitady Ahy amin’ny fonareo tokoa ianareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin’ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin’ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin’ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›
Malagasy Bible 1865
Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo.
malagasy
Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.