Jeremiah 29:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ny firenena izay nandroahako azy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoenjehiko amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany raha mahita azy. Any amin’ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia horaisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;
Malagasy Bible 1865
Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ny firenena izay nandroahako azy
malagasy
Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy[Na: ho fampangovitana]