Jeremiah 29:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny tsy nihainoany ny teniko izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, - teny marin’i Iaveh, - nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satria tsy nohenoiny akory izay nolazaiko taminy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy nitsahatra nandefa ireo mpaminany mpanompoko tany aminy Aho, fa tsy nihaino ireny izy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›
Malagasy Bible 1865
noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny tsy nihainoany ny teniko izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy NY TOMPO.
malagasy
noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.