Jeremiah 29:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izy roa lahy dia hataon’ny babo rehetra amin’ny Joda izay any Babilona ho fanozonana hoe: Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Zedekia sy i Ahaba, izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny afo, anie ianao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo dia hangalana fomba fanozonana, eo amin’ny babo, avy any Jodà, izay ao Babilôna, toy izao: Aoka ianao hataon’i Iaveh tahaka an’i Sedesiasa sy i Akaba, izay nendasin’ny mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo atỳ Babilôna dia hampiasa ny anaran’izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon’ny TOMPO tahaka izay nanjo an’i Tsedekià sy i Ahaba izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’ny afo anie ianao!
Malagasy Bible 1865
Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie ianao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izy roa lahy dia hataon’ny babo rehetra amin’ny Joda izay any Babilona ho fanozonana hoe: Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Zedekia sy i Ahaba, izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny afo, anie ianao,
malagasy