Jeremiah 29:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ny Israely dia ny nijangajangany tamin’ny vadin’ny namany sy ny nitenenany lainga tamin’ny anarako, dia izay teny tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ary ho vavolombelon’izany Aho, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria namoafady tamin’i Israely izy ireo, nijangajanga tamin’ny vadin’ny namany, sy naminany lainga tamin’ny Anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany Aho, sy vavolombelona Aho, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hihatra amin’izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin’i Israely; fa naka ny vadin’ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin’ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho TOMPO kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko.› »
Malagasy Bible 1865
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ny Israely dia ny nijangajangany tamin’ny vadin’ny namany sy ny nitenenany lainga tamin’ny anarako, dia izay teny tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ary ho vavolombelon’izany Aho, hoy NY TOMPO.
malagasy
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.[Heb; fahadalana]