Jeremiah 29:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO efa nanao anao ho mpisorona ho solon’i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany ka hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natsangan’i Iaveh ho mpisorona, hisolo an’i Jôiadà mpisorona ianao, mba hisy mpitandrina ao an-tranon’i Iaveh momba izay olona rehetra manao azy ho nahazo tsindrimandry sy ho mpaminany mba hitananao azy amin’ny boloky na gadra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Satria ny TOMPO efa nametraka anao ho mpisorona hisolo an’i Jôiadà, dia ianao no mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO ka tokony hanara-maso izay rehetra misary adala milaza azy ho mpaminany sy hampamatotra azy amin’ny gadra vy na rojo vy.
Malagasy Bible 1865
Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO efa nanao anao ho mpisorona ho solon’i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany ka hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
malagasy