Jeremiah 29:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandefa iraka ho aminay atỳ Babilona izy niteny hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa noho izany, dia nahavatra nampilaza taminay tany Babilôna izy, nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, ka manaova trano ary mitoera ao aminy, mambole amin’ny zaridaina ary mihinàna ny vokany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hadisoanao mihitsy raha toa izy afaka nandefa taratasy tatỳ aminay atỳ Babilôna mba hilaza aminay fa hijanona maharitra ho babo atỳ izahay. Nasainy hanorina trano aza izahay mba hipetrahanay ary nasainy hamboly zaridaina mba hihinananay ny vokatra avy aminy.»
Malagasy Bible 1865
Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandefa iraka ho aminay atỳ Babilona izy niteny hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra aminy.
malagasy
Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.