Jeremiah 29:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandefasa iraka ho any amin’ny babo rehetra ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Semaia nehelamita: Noho ny naminanian’i Semaia taminareo, kanefa izy anie tsy nirahiko akory, fa dia nampitoky anareo tamin’ny lainga,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Maniraha ho any amin’ireo babo mba hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Semahià avy any Nehelama: Mihambo ho mpaminany aminareo i Semahià nefa Izaho tsy naniraka azy akory. Satria mampiantehitra anareo amin’ny lainga izy,
Malagasy Bible 1865
Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny lainga
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandefasa iraka ho any amin’ny babo rehetra ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Semaia nehelamita: Noho ny naminanian’i Semaia taminareo, kanefa izy anie tsy nirahiko akory, fa dia nampitoky anareo tamin’ny lainga,
malagasy
Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny laingadia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.