Jeremiah 29:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izao no lazain’NY TOMPO: Indro, efa hamaly an’i Semaia nehelamita sy ny taranany Aho: Tsy hanana zanakalahy honina amin’ity firenena ity izy sady tsy hahita ny soa izay hataoko amin’ny oloko, hoy NY TOMPO, satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany dia izao no lazain’i Iaveh: Hamangy an’i Semeiàsa Nehelamita mbamin’ny taranany Aho; tsy hisy amin’ny fianakaviany honina eo amin’ny fireneny; sady tsy mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako izy. - teny marin’i Iaveh, - satria nitory fiodinana amin’i Iaveh izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia Izaho TOMPO no manamafy fa hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Semahià sy ny taranany Aho: Tsy hisy na iray aza amin’ny fianakaviany ho tafajanona eo anivonareo mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako; satria nanosika anareo vahoakako hikomy amiko TOMPO izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »
Malagasy Bible 1865
dia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izao no lazain’NY TOMPO: Indro, efa hamaly an’i Semaia nehelamita sy ny taranany Aho: Tsy hanana zanakalahy honina amin’ity firenena ity izy sady tsy hahita ny soa izay hataoko amin’ny oloko, hoy NY TOMPO, satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìny.
malagasy