Jeremiah 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala Ravehivavy ka lasa vadin’olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va Ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, moa hahazo miverina Amiko indray va ianao? Hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny fanao ny hoe: Raha misy lehilahy misao-bady, ary rehefa nilaozany io, dia tonga vadin’olon-kafa ravehivavy; moa hiverina aminy indray va ralehilahy io? Tsy ho tena voaloto mihitsy va izany tany izany? Ary ianao, dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, - teny marin’i Iaveh, - ka hiverina amiko indray va ianao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamiko: Raha misy lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa, moa mahazo mampody azy indray ve izy? Tsia, fa haloto ny tany. Kanefa ianao, ry Israely, dia efa lehilahy maro no nijangajanganao, hoy ny teny hentitry ny Tompo; ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala Ravehivavy ka lasa vadin’olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va Ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, moa hahazo miverina Amiko indray va ianao? Hoy NY TOMPO.
malagasy
Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.[Na: hoy ny olona]