Jeremiah 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tamin’izany rehetra izany dia tsy nety niverina Tamiko tamin’ny fony manontolo i Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ny fihatsarambelatsihy ihany, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary na izany rehetra izany koa aza i Jodà mpivadika, rahavaviny, tsy niverina tamiko, tamin’ny fony rehetra, fa tamim-pitaka fotsiny, - teny marin’i Iaveh.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin’ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin’i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.
Malagasy Bible 1865
Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tamin’izany rehetra izany dia tsy nety niverina Tamiko tamin’ny fony manontolo i Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ny fihatsarambelatsihy ihany, hoy NY TOMPO.
malagasy
Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.