Jeremiah 3:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Israely mpikomy, hoy NY TOMPO; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho, fa mamindra fo Aho, hoy NY TOMPO, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.
Malagasy Bible 1865
Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Israely mpikomy, hoy NY TOMPO; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho, fa mamindra fo Aho, hoy NY TOMPO, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
malagasy