Jeremiah 3:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa kosa, ekeo ny helokao, fa tamin’NY TOMPO Andriamanitrao no nikomianao. Nivezivezy nankany amin’ny hafa ianao teny ambanin’ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mieke anefa ny hadisoanao, satria niodina tamin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka nandehandeha foana tany amin’ny tany hafa, teny ambany hazo maitsonao teny, fa tsy nihaino ny feoko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa aoka hiaiky heloka ianao fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao: nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny fa tsy nihaino ny feoko: teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa kosa, ekeo ny helokao, fa tamin’NY TOMPO Andriamanitrao no nikomianao. Nivezivezy nankany amin’ny hafa ianao teny ambanin’ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy NY TOMPO.
malagasy