Jeremiah 3:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miverena, ry zaza mpikomy, hoy NY TOMPO, fa Izaho ihany no Tomponareo. Hakako iray isan-tanàna ianareo ary roa isam-pokony ka hoentiko ho any Ziona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, - fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miverena amiko, ry zaza mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, satria Izaho no tomponareo. Hangalako iray isan-tanàna na roa isan-tarika ianareo ka hoentiko any an-tendrombohitra Tsiôna.
Malagasy Bible 1865
Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miverena, ry zaza mpikomy, hoy NY TOMPO, fa Izaho ihany no Tomponareo. Hakako iray isan-tanàna ianareo ary roa isam-pokony ka hoentiko ho any Ziona*.
malagasy
Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;