Jeremiah 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo dia amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no tsy hitenenany intsony ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary tsy hosaintsaininy akory izany sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanamboatra vata hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo, amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - amin’izany tsy hisy intsony ny hilaza hoe: «Ny fiaran’ny faneken’i Iaveh!» tsy ho mby ao an-tsaina akory izany, tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony, na hanao anankiray hafa indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany fotoana izany, hoy ihany ny teny hentitry ny TOMPO, dia hanjary ho maro sy hitombo be dia be ao amin’ity tany ity ianareo. Tsy horesahina intsony ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanako. Tsy ho ao an-tsain’ny olona intsony izany fa hohadinoiny, tsy hisy ho manina azy na hanao Vatamasina hafa.
Malagasy Bible 1865
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo dia amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no tsy hitenenany intsony ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary tsy hosaintsaininy akory izany sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanamboatra vata hafa.
malagasy