Jeremiah 3:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany no hanononana an’i Jerosalema hoe sezafiandrianan’NY TOMPO; hivory any ny Jentilisa rehetra noho ny anaran’NY TOMPO any Jerosalema, ary tsy handeha araka ny ditran’ny fo ratsiny intsony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe: «ny seza fiandrianan’i Iaveh!» Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny Anaran’i Iaveh, fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany no hanononana an’i Jerosalema hoe sezafiandrianan’NY TOMPO; hivory any ny Jentilisa* rehetra noho ny anaran’NY TOMPO any Jerosalema, ary tsy handeha araka ny ditran’ny fo ratsiny intsony izy.
malagasy
Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.