Jeremiah 3:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Izaho efa niteny hoe: E! Fa hataoko isan’ny zanako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena rehetra. Eny, hoy Aho: Hiantso Ahy hoe Raiko ianao ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izaho nanao hoe: Ahoana no hametrahako anao, eo amin’ireo zanako, sy homeko tanim-pahafinaretana ianao, dia izay soa indrindra eo amin’ny firenena mba ho lovanao? ary hoy Aho: «Hiantso ahy hoe Raiko, ianao,» sady tsy hitsahatra ny hanaraka Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Izaho efa niteny hoe: E! Fa hataoko isan’ny zanako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena rehetra. Eny, hoy Aho: Hiantso Ahy hoe Raiko ianao ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy.
malagasy