Jeremiah 3:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, zava-poana teny amin’ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.
Malagasy Bible 1865
Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely.
malagasy
Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.[Na: Foana tokoa ny fihorakorahana any amin'ny havoana]