Jeremiah 3:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa lanin’ny henatra hatramin’ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ny razanay, dia ny ondry aman’osiny sy ny ombiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa levon’ny fahavetavetan’ny sampy ny fahatanorantsika, ny vokatry ny fisasaran’ny razantsika, ny ondry aman’ombiny, ny zanany lahy aman-janany vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hatry ny fahazazànay dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra nanompoana an’i Bahala io ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay, dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
Malagasy Bible 1865
Fa lanin'ilay mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa lanin’ny henatra hatramin’ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ny razanay, dia ny ondry aman’osiny sy ny ombiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
malagasy
Fa lanin'ilay mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.Aoka handry ao amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.