Jeremiah 3:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka handry ao amin’ny henatray izahay, ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’NY TOMPO Andriamanitray no efa nanotanay, dia izahay sy ny razanay, hatramin’ny fahazazanay ka mandraka androany, sady tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka isika handry eo amin’ny fahafaham-barakantsika, sy horakofan’ny henatra isika; fa samy efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitsika, na isika na ny razantsika, hatramin’ny fahatanorantsika ka mandrak’androany; sady tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hatory ombàn-kenatra izahay ka hanaiky ny fahafaham-baràka, satria efa nanao heloka teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray. Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.
Malagasy Bible 1865
Aoka handry ao amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka handry ao amin’ny henatray izahay, ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’NY TOMPO Andriamanitray no efa nanotanay, dia izahay sy ny razanay, hatramin’ny fahazazanay ka mandraka androany, sady tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay.
malagasy