Jeremiah 3:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamiko tamin’ny andro nanjakan’i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’Israely mpikomy? Niakatra ho eny amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: –Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamiko tamin’ny andro nanjakan’i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’Israely mpikomy? Niakatra ho eny amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
malagasy
[Ny amin'ny nanariana ny Isiraely, sy ny mbola handraisana azy indray] Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.