Jeremiah 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Israely mpikomy ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany dia tsy nety natahotra i Joda mpivadika rahavaviny fa nandeha nijangajanga koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hitako fa izany fitolorana tena amin’ny hafa izany, no nisaorako an’i Israely mpiodina, sy nanomezako azy taratasy fisaorana: nefa tsy natahotra akory i Jodà, mpivadika, rahavaviny, fa lasa nitolo-tena tamin’ny hafa mbamin’izy koa aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitany fa nomeko taratasy fisaoram-bady i Israely mpiodina, ary nisaorako noho izy nijangajanga. Kanefa tsy natahotra akory i Joda mpivadika fa mba lasa koa aza izy nijangajanga.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Israely mpikomy ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany dia tsy nety natahotra i Joda mpivadika rahavaviny fa nandeha nijangajanga koa.
malagasy