Jeremiah 30:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO; ary aza mivadi-po, ry Israely; fa indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary hovonjeko avy any amin’ny tany izay nahababo azy ny taranakao; dia hiverina i Jakoba ka hiadana sy handry fehizay, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
Malagasy Bible 1865
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO; ary aza mivadi-po, ry Israely; fa indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary hovonjeko avy any amin’ny tany izay nahababo azy ny taranakao; dia hiverina i Jakoba ka hiadana sy handry fehizay, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy intsony.
malagasy