Jeremiah 30:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy fisaorana sy feon’ny mifaly avy ao aminy; dia hahamaro azy Aho ka tsy hihena ny isany, sady hanome voninahitra azy Aho ka tsy hambaniana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy; hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana. Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak’i Jakôba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy fisaorana sy feon’ny mifaly avy ao aminy; dia hahamaro azy Aho ka tsy hihena ny isany, sady hanome voninahitra azy Aho ka tsy hambaniana izy.
malagasy
Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.