Jeremiah 30:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lehibeny dia ho avy ao aminy ihany, ny mpanapaka azy koa dia ho avy ao aminy ihany; hampanakaiky azy Aho ka hanatona Ahy izy, fa iza moa no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? Hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lehibeny dia ho avy ao aminy ihany, ny mpanapaka azy koa dia ho avy ao aminy ihany; hampanakaiky azy Aho ka hanatona Ahy izy, fa iza moa no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? Hoy NY TOMPO.
malagasy
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.[Heb. fony]