Jeremiah 30:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo any am-parany ny amin’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy: ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo any am-parany ny amin’izany.
malagasy
Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.