Jeremiah 30:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampodiko ny oloko, dia ny Israely sy ny Joda, avy amin’ny fahababoany, hoy NY TOMPO; eny, hampody azy ho amin’ny tany izay nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin'ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin'ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampodiko ny oloko, dia ny Israely sy ny Joda, avy amin’ny fahababoany, hoy NY TOMPO; eny, hampody azy ho amin’ny tany izay nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
malagasy