Jeremiah 30:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra, ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny, sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza. Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza, ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anontanio ka jereo raha misy lehilahy mihetsi-jaza. Ahoana àry Aho no mahita ny lehilahy rehetra mitan-kibo toy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?
Malagasy Bible 1865
Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra, ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny, sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
malagasy