Jeremiah 30:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hisy toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,
Malagasy Bible 1865
Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa;
malagasy
Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony; [Heb. azy]