Jeremiah 31:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Jentilisa, ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany ka lazao hoe: Izay nampiely ny Israely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo, firenena, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary torionareo izany, avy amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe: «Ilay nampiely an’i Israely, dia hanangona azy indray; ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny»;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ianareo firenen-kafa, ambarao any amin’ireo nosy lavitra any izany ka lazao hoe: «Nampiely an’i Israely ny Tompo; fa izao manangona azy Izy ary miambina azy tahaka ny ataon’ny mpiandry amin’ny andian’ondriny.»
Malagasy Bible 1865
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Jentilisa*, ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany ka lazao hoe: Izay nampiely ny Israely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.
malagasy
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.