Jeremiah 31:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoanan’i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’NY TOMPO, dia ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ny zanak’ondry ary ny zanak’omby; ary ny fiainany dia ho toy ny tanimboly vonton-drano ka tsy halazo intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.
Malagasy Bible 1865
Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoanan’i Ziona*, dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’NY TOMPO, dia ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ny zanak’ondry ary ny zanak’omby; ary ny fiainany dia ho toy ny tanimboly vonton-drano ka tsy halazo intsony.
malagasy
Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.