Jeremiah 31:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany; hampiononiko izy ary hampifaliako ho afaka alahelo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany; hampiononiko izy ary hampifaliako ho afaka alahelo.
malagasy
Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.