Jeremiah 31:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany satria lany ritra ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Nisy feo re tany Ramà, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany i Rasela ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany satria lany ritra ireny.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.