Jeremiah 31:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Izao teny izao koa no holazaina any amin’ny tanin’i Jodà, sy amin’ny tanànany, raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin’izy ireo: Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, ry firenen’ny fahamarinana, ry tendrombohitry ny fahamasinana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe: ‹Hitahy anao anie ny TOMPO ry Tsiôna tendrombohitra masina, fonenan’ny famonjena!›
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
malagasy