Jeremiah 31:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, ka hafafiko eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda ny taranak’olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamafazako eo amin’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà, masombolin’olombelona sy masombolim-biby. Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo: hongotana, hazera, harodana, horavana ary hampahorina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Indro avy ny andro, izay hanapariahako olona sy biby fiompy manerana ny fanjakan’i Israely sy i Joda tahaka ny fanapariahana voa afafy eo an-tanimboly. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, ka hafafiko eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda ny taranak’olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
malagasy
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.