Jeremiah 31:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary toy ny niambenako azy mba hongotana sy hazera, harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy haorina sy hambolena kosa, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
no hiambenako azy kosa, haorina sy hambolena, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary toy ny niambenako azy mba hongotana sy hazera, harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy haorina sy hambolena kosa, hoy NY TOMPO.
malagasy
Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.