Jeremiah 31:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olona rehetra; na iza na iza no homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olon-drehetra: izay mihinam-boaloboka maharikivy, na iza na iza, dia izy ihany no hadilo nify koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha misy tokoa ny mihinana voaloboka marikivy, dia izy ihany no hadilo nify; samy ho fatin’ny fahadisoany avy ny olona tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olona rehetra; na iza na iza no homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify.
malagasy
Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.