Jeremiah 31:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa tsy tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no tompony hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa tsy tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no tompony hoy NY TOMPO.
malagasy
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.[Na: tompony]