Jeremiah 31:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoakan’i Israely, aorian’izany andro izany: Hapetrako ao an’eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.
malagasy