Jeremiah 31:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»
Malagasy Bible 1865
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
malagasy