Jeremiah 31:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro, izay mampilahatra ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina, izay mampanonja ny ranomasina ka mampirohondrohona ny onjany, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh, izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro; sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana hanazava amin’ny alina; mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany; - i Iavehn’ny tafika no Anarany: -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no mametraka ny masoandro ho fanazavana amin’ny antoandro? Iza no mandidy ny volana aman-kintana ho fanazavana amin’ny alina? Iza no manetsika ny ranomasina mba hampisafoaka ny onjany? Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Fa izao no lazain’io TOMPO io:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin'ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro, izay mampilahatra ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina, izay mampanonja ny ranomasina ka mampirohondrohona ny onjany, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:
malagasy