Jeremiah 31:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’NY TOMPO hatramin’ny trano fiambenana any Hananela ka hatramin’ny vavahady eo an-jorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh, hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny teny hentitry ny Tompo hoe: «Indro avy ny andro, izay hananganana indray ny mandan’i Jerosalema ho voninahitro, manomboka amin’ny tilikambon’i Hananela ka hatrany amin’ny vavahady an-jorony.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an'i Jehovah hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’NY TOMPO hatramin’ny trano fiambenana any Hananela ka hatramin’ny vavahady eo an-jorony.
malagasy
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an'i Jehovah hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony.